# Projet D26 0134 005 – Fiarovana ny ankizy amin'ny alalan'ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny faharefoana ara-bola

Ny fanamafisana ny fiveloman'ny tokantrano no iray amin'ireo antoky ny fiarovana sy ny fampandrosoana maharitra ny ankizy. Amin'ity sary ity, hita ny fifanakalozana sy ny fanaraha-maso eny an-tsaha miaraka amin'ireo tokantrano mpisitraka amin'ny sehatry ny fambolena vary, izay isan'ny hetsika manampy amin'ny fanatsarana ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fidiram-bolan'ny fianakaviana.

Amin'ny alalan'ny tetikasa D26 0134 005, tanterahina any amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa sy Toliara, dia tohanana ireo tokantrano marefo mba hanamafisana ny fahavitan-tenany ara-tsakafo sy ara-toekarena, ho tombontsoan'ny ankizy sy ny fiarahamonina.

*Mamboly anio, miaro ny hoavin'ny ankizy rahampitso.*